« Ary raha natomboka ny nanaterana ny fanatitra ho dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an’i Jehovah. » II Tantara 29.27 Tamin’ny fotoam-pivavahana tao amin’ny Israely dia misy fandaharana araka ity voalaza ity. Nefa, na aiza na aiza, no misy…
Mois : février 2020
« Dia namaly Hana ka nanao hoe : Vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nosotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’i Jehovah aho. Dia namaly Ely ka nanao hoe : Mandehana soaman-tsara ary homen’Andriamanitry ny Isiraely anao…
« Andriamanitra, Rain’ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra » II korintiana 1.3 Anaran’Andriamanitra koa izany : Mpamindra fo sy Mpampionona. Tena mahafinaritra izany teny roa izany. Samy ilaiko tokoa ireo roa ireo..Rain’ny famindram-po. Ny famindram-po sy ny fahasoavana rehetra dia avy amin’Andriamanitra….
« Efa nomeko azy ny teninao » Jaona 17.14 Izany no vavaka nataon’i Jesosy ho an’ny mpianany tamin’ny alina alohan’ny nijaliany. Izy handeha fa ny mpianany hijanona eto amin’ity tany feno loza sy rakotry ny ratsy ity. Jesosy mieritreritra izay hahavoaro azy…
« Matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandrapihavin’ny andron’i Jesosy Kristy » Ny asa rehetra ataon’Andriamanitra dia tsy misy avelany ho tsy tanteraka. Rehefa avy namorona ny zavatra rehetra Izy, dia voalaza hoe: Vitan’Andriamanitra ny…
« Fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa » II korintiana 1.7 Raha fahoriana ihany no azon’ny zanak’Andriamanitra dia ho anjara ratsy mavesatra izany. Ny mpianatr’i Jesosy rehetra dia tsy maintsy ho azom-pahoriana, kanefa fomba maro samy hafa…
« Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra ; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria » Daniela 12.3 Voalaza hoe : izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana. Na dia ho…
« Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay » II Korintiana 4.7 Saiky misalasala matetika isika amin’ny ananantsika izao rakitra izao satria malemy dia malemy ny vilany tany misy…
« Dia hoy Jehovah, indro misy fitoerana eto anilako, dia hijanona eo ambonin’ny harambato hianao. Koa raha mandeha ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato hianao ka hosaronako ny tanako hianao mandra-pandaloko. » Eksodosy 33. 21-22 Ohatra mazava ilazana ny…
« Nofaizin’i Jehovah mafy aho, nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana » Mila famaizana hianao satria zanaka. Aza hadinoina anefa fa ny manafay anao dia Andriamanitra Rainao any an-danitra. Raha tra-pahoriana mavesatra hianao, dia mihevitra izany ho loza, fa ekeo hofamaizana ilainao…