II korintiana 1.3

« Andriamanitra, Rain’ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra » II korintiana 1.3

Anaran’Andriamanitra koa izany : Mpamindra fo sy Mpampionona. Tena mahafinaritra izany teny roa izany. Samy ilaiko tokoa ireo roa ireo..Rain’ny famindram-po. Ny famindram-po sy ny fahasoavana rehetra dia avy amin’Andriamanitra. Ray iboiboihan’ny fitiavana sy ny famindram-po ho an’izay rehetra mitady Azy sy te- handray azy Izy.

Andriamanitry ny fampiononana rehetra Izy. Tena mahafinaritra ny ahatsiarovana ny tànan’Andriamanitra mahery sy be fitiavana mandray ho eo an-tratrany ny zanany mila fampiononana noho izy malahelo, miady amin’ny fakam-panahy ka sasatra. Ny alahelon’ny olona dia mety ho samy hafa karazana. Ny alahelon’ny zaza dia tsy mitovy amin’ny alahelon’ny olon-dehibe. Aza hamaivanaina anefa ny alahelon’ny zaza. Ny alahelon’ny zaza dia mety mavesatra tahaka ny anao koa. Nefa na inona na inona no alahelonao na momba izao fivelomana izao na ara-panahy na kely na lehibe ; na mihatra amin’ny tenanao na amin’ny fianakavianao dia fampiononana avy amin’Andriamanitra izany rehetra izany, satria voalaza hoe : Andriamanitry ny fampiononana rehetra Izy.

Izao ihany : Izy mahalala ny alahelonao sady miara-malahelo aminao. Tia anao sy te-hikarakara anao Izy, fa Rain’ny famindram-po sy Andriamanitry ny fampiononana.

Laisser un commentaire