Fandraisana

  • Fankalazana Noely 2020

Ny mason’i Jehovah Andriamanitra mitsinjo anao mandrakariva hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny fiafarany.Deo 11:12.


TARIDALANA

Andro fiandrasana, fiomanana amin’ny fiavian’ny mpanjaka lehibe na olona manam-boninahitra  no hevitrin’ny teny hoe “Advento”. Ny Alahady efatra mialoha ny Krismasy no marihin’ny Fiangonana ho litorjia ny Advento i izay iandrandra fafatra ny fahatongavan’ny Krismasy, fahatsiarovana ny nahatongavan’Ilay Mpanjaka lehibe, dia Jesosy.

Ny zava-dehibe tokony tsy hoadinontsika anefa fa ny advento dia tena mampatsiahy antsika kristiana fa Jesosy dia mbola hiverina indray ary tokony hiomana mandrakariva isika. Hoy

Jesosy:”…raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy?”(Lioka 18:8)

Noho izany dia tokony hiomana tokoa isika amin’ny fihavian’i Jesosy, Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Ho vonona mandrakariva,tahaka ireo virjina dimy hendry,  niambina ka naharitra mandra-pihavian’ny mpampakatra.

Eo anatrehan’izany dia tokony olona manao ahoana isika? sao mandeha araka ny fanaon’izao tontolo izao, na variana amin’ity tany ity sy ny filany.( sakafo, fitafiana, fety)

Koa ankehitriny dia mampiomana anao Jesosy amin’ny izao Advento izao, mba hiambenanao amin’ny fihaviany indray. Hoy Jesosy: “Miambenaka ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona”(Lioka 21:36).

Pastora Edmond Raharijaonarivelo

Hamaky Fampianarana

Mpiangona FLM Le Mans

Filohan’ny FLM : Dr. Rakotozafy Denis

Ny Mpitondra fileovana : Pst. Eddy Randriamalala
21765360_481111725620566_8808823237846872510_n
Ny Pastora Mpanampy : Pst. Solohery RATSIMBAZAFY
242697020_1358464751238032_2490547227545982844_n
Ny Filohan’ny Fiangonana: Atoa Barinjaka DODO

Toerana Alahady