« Nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra Jesosy ka nanao hoe : Ray ô, tonga ny fotoana ; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ny Zanaka Anao. » Tonga ny fotoana dia ny fotoana lehibe amin’ny fotoana rehetra. Fotoan’ny fijaliana sy ny fietrena. Hoy ny tenin’i…
Mois : février 2020
« Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. » Manondro an’i Jesosy i Jaona eto hoe : « Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra. » Aza mijery ny manodidina anao hianao fa ho varian-kevitra. Aza mijery ny tenanao hianao fa ho kivy. Aza miondrika…
26 FEBROARY « Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ny andro fahoriana Izy. Hampiery ahy amin’ny fierena ao an-dainy Izy » Salamo 27,5 Raha tahiny ao ivelan’ny trano isika no misy andro ratsy : ranonorana, tafio-drivotra, kotroka, tselatra dia tsara ny miditra ao…
« Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana ka mahalala izay mialoka aminy » Nahoma 1.7 « Tsara Jehovah » Amin’izany no anaovako hoe : eny, eny, eny, tsara Jehovah. Matetika dia tsy mahatoky aho, tsy miraika, mangatsiaka. Ao am-poko dia misy zava-dratsy. Fa Jehovah…
« Miverena ho amin’ny fitsaharanao, ry fanahiko fa Jehovah efa nanisy soa anao ». Salamo 116.7 Miverena ho amin’ny fitsaharanao », hoy ity teny ity. Izany dia mampiseho fa misy nitsaharana taloha saingy simba noho ny toe-draharaha sasantsasany nitranga. Ry havana : aoka hianao…
« Ary indro nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin’ny folo taona, nankeo ivohony, ka nanendry ny somotraviavin-dambany. » Nankao ivohon’i Jesosy ity vehivavy ity fa natahotra sao holavin’i Jesosy, angamba natahorany koa ny hifanatri-maso tamin’i Jesosy, sao ho hitany izay…
« Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotany izay ao amin’i Kristy Jesosy » Romana 3.24 Ny hevitry ny hoe : hamarinina dia hoe ekena ho marina na dia tsy marina aza. Andriamanitra mandray ny taratasy filazana ahy, ka mandinika azy tsara….
« Jehovah hanome hery ny olony, Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana. » Salamo 29.11 Manolotra fanomezana roa lehibe anao Andriamanitra anio, dia hery sy fiadanana. Raha mahatsiaro reraka sy sasatra hianao,dia manantona an’Andriamanitra Tomponao. Manome toky Izy fa hanome hery ny…
« Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiatrana, dia tanteraho ny fifaliako. » Filipiana 2.1 Misy fanontaniana eto, nefa tsy misy valiny. Eritrereto dia hanan-kavaly hianao….
« Lasa nandeha hiatrano amin’izay lehilahy mpanota Izy » Lioka 19.7 Tao amin’i zakaiosy no nidiran’i Jesosy tamin’izany, fa anio kosa ho ao aminao. Tsy tonga mba histidika anao vetivety fotsiny amin’ny fandalovany Izy, fa te-hiatrano ao aminao mihitsy, te-hiara-mipetraka aminao, te-ho…