Filipiana 1 :6

« Matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandrapihavin’ny andron’i Jesosy Kristy »

Ny asa rehetra ataon’Andriamanitra dia tsy misy avelany ho tsy tanteraka. Rehefa avy namorona ny zavatra rehetra Izy, dia voalaza hoe: Vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony (Gen. 2.2.) Rehefa nahavita ny asam-pamonjena nataony Jesosy, dia hoy Izy hoe: Vita (Jaona 19.32.)

Ary tahaka izany koa no Ahavitany ny asany ao anatin’ny olona, satria Izy ihany no nanomboka izany. Ny toetranao malemy, ny fanirianao feno fahotana dia tsy misakana Azy. Tsy asanao moa ny famonjena fa Azy. Mahalala ny toetrao talohan’ny nanombohany ny asany Izy. Noho izany dia tsy diso fanantenana Izy na sasatra. Raha avelanao Izy dia hanatanteraka ny asa tsara izay efa natombony. Matoky izany indrindra aho.

Laisser un commentaire