Ny sampana Sekoly Alahady no sampana iray ao anatin’ny Fiangonana mitaiza ireo zaza, ankizy, tanora ary olon-dehibe amin’ny alalan’ny Soratra Masina.
« Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza,
ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala aminy izany.» Ohabolana 22,6
Ny Sekoly Alahady no nijoro voalohany teto amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy eto Le Mans. Tamin’ny mbola fiaraha-mivavaka ny teto Le Mans no efa nisy hatrany ny fampianarana ny ankizy ny Tenin’Andriamanitra. Sampana velona anankiray izy ankehitriny.
Mianatra sy mandalina ny teny Soratra Masina, satria araka ny ao amin’ny Hosea 4,6 :
«Ary ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana ny Soratra Masina.»
Mitory filazantsara amin’ny ankizy ary mba hijoron’ny ankizy amin’ny ankizy mitovy aminy koa ny zavatra azony.
Miara-miasa amin’ny Fiangonana sy ny sampana velona rehetra ary ny sekoly alahady mitovy aminy koa, ny tanjony dia izay hahatonga ny olona tsirairay hiova fo ka ho tonga kristiana mahalala tsara ny Baiboly ary indrindra mankato sy mampihatra ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany isan’andro, ka ho
«Fanilon’ny tongotr’izy ireo sy fanazavana ny lalany ny tenin’Andriamanitra.» Salamo 119,105