2 Korintiana 4.7

« Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay » II Korintiana 4.7

Saiky misalasala matetika isika amin’ny ananantsika izao rakitra izao satria malemy dia malemy ny vilany tany misy azy. Toa zavatra tsy azo atao ny hoe : Andriamanitra mametraka ny harenany lehibe sy sarobidy aty amiko izay malemy tahaka ny vilany tany.

Mora simba ny vilany tany. Na dia tsy hery lehibe aza dia ampy hahavaky azy. Tsotra koa ny vilany tany, eny saiky tsotra loatra aza ny hametrahana harena sarobidy ao aminy. Kanefa tsy hafa noho izany aho. Zavatra kely dia mahavoa ahy : mora tafitohina ; manam-petra sy mora levona aho. Farany dia vovoka eran-tànana no hiafarako.

Nefa isaorana anie Andriamanitra noho ny fampiononana azo amin’ity teny ity. Fantany fa sady tsotra no mora vaky ny vilany tany kanefa na dia izany aza dia napetrany tao ihany ny harenany. Ary izao no antony : Ny halehiben’ny hery dia ho avy amin’Andriamanitra fa tsy ho avy amintsika. Aza ny vilany tany no jerena fa ny ao anatiny.

Aza ny fahalemen’ny tenanao no iankinanao, fa ny herin’Andriamanitra Tsitoha.

Laisser un commentaire