I Samoela 1.15-17

« Dia namaly Hana ka nanao hoe : Vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nosotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’i Jehovah aho. Dia namaly Ely ka nanao hoe : Mandehana soaman-tsara ary homen’Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy » I Samoela 1.15-17

Hitantsika amin’izao teny izao ny olona anakiray tafalatsaka laina amin’ny alahelo, kanefa tsy manamaivana ny alahelony amin’ny divay na toaka. Ny nataony dia ny namboraka teo anatrehan’i Jehovah ny tao am-pony.

Hianao va mba efa nanao izany ? Sao mitovy amin’ny renirano tampenana tsy avela handeha ny alahelonao.

Esory ny tampina. Loary eo anatrehan’Andriamanitra ny ao am-ponao, dia ny ao am-ponao rehetra. Angamba milaza ny alahelonao amin’Andriamanitra ihany hianao, nefa moa, milaza azy rehetra sy mametraka azy aminy va ? Matokia fa mety mamaly anao Izy. Na dia tafalatsaka lalina ao anatin’ny alahelo aza hianao, dia hampiononin’Andriamanitra hianao ka hahazo fiadanam-po. Homen’Andriamanitra ny Israely anao izay angatahinao aminy.

Laisser un commentaire