« Efa nomeko azy ny teninao » Jaona 17.14
Izany no vavaka nataon’i Jesosy ho an’ny mpianany tamin’ny alina alohan’ny nijaliany. Izy handeha fa ny mpianany hijanona eto amin’ity tany feno loza sy rakotry ny ratsy ity. Jesosy mieritreritra izay hahavoaro azy amin’ny ratsy ka izany no nivavahany ho azy. Hoy Izy tamin’Andriamanitra hoe : Efa nomeko azy ny teninao. Azo lazaina ho fanomezana lehibe va izany ? Teny fotsiny ? Eny, fanomezana lehibe tokoa izany na dia teny ihany aza, fa tenin’Andriamanitra. Fampiononana amin’ny fahoriana. Fiadiana amin’ny ady. Hery amin’ny famoizam-po. Hanina ho an’ny fanahy. Teny haharitra mandrakizay na dia ho levona aza ity tany ity. Nahazo ny fanomezana tsara indrindra tandrify azy ny mpianatra, dia ny tenin’Andriamanitra mahery ary maharitra mandrakizay.
Fa ho anao koa izany fanomezan’Andriamanitra izany. Inona no ho raisinao ho fanampiana amin’ny andro amoizanao fo ? Ny tenin’Andriamanitra no raiso. Inona no ho entinao hanohitra an’i Satana amin’ny akany fanahy anao ? Ny tenin’Andriamanitra. Inona no hiaro anao amin’ny fitiavana izao tontolo izao ? Ny hitoeranao ao amin’ny tenin’Andriamanitra. Inona no hahazoanao hery sy tanjaka amin’ny andro sarotra ? Ny fitiavana ny tenin’Andriamanitra. Ao amin’ny tenin’Andriamantra no ahazoanao izay rehetra ilainao.
Manome ny teniny anao koa Izy ankehitriny, ka ampy ary tehirizo ao am-ponao ny tenin’Andriamanitra ary hiaro anao indray izany.