FIANDOHANA
Tamin’ny 16 Oktobra 2016 no niforona ny fikambanam-behivavy teto amin’ny fiaraha-mivavaka Le Mans, rehefa avy notanterahina ny fifidianana ny birao notarihin’i Pastora Raseta izay nitarika ny fivoriana.
Andro vitsivitsy taorian’io dia nivory ireo birao voafidy nahitana ny filoha, ny filoha lefitra, ny mpitan-tsoratra sy ny mpitan-tsoratra lefitra ary ny mpitam-bola sy ny mpitam-bola lefitra. Notapahina tamin’io ny andinindinin’ny fitsipika mifehy ny fikambanana.
HETSIKA ISAN-KARAZANY
Tamin’ny fankalazana ny fetin’ny krismasy 2016 lasa teo no nanaovan’ny fikambanam-behivavy ny hetsika voalohany tamin’ny alalan’ny fampisehoana tantara mime momba ny Famoronana sy ny antsam-piderana.
Mikarakara goûter koa ny fikambanam-behivavy isaky ny Alahady famangian’ny Pastora, entina hanatevenana ny kitapom-bolan’ny fikambanana. Ao ny mamy, ao ny masira samy amin’ny tandrify azy.
Mifandimby ny mpikambana amin’ny fitondrana ny voninkazo handravahana ny alitara masina.
Mivory isan-kerinandro koa ny fikambanam-behivavy miara-midinika ny soratra masina, miara-manao fantanjahan-tena, mifampizara traikefa toy ny fianarana teny vahiny, fanaovana sakafo, sns…araka ny fandaminana. Isan-tokantranon’ny mambra no mifandimby mandray ny fotoana.
(sary baiboly misokatra)
Manatanteraka ny adidiny ara-tsosialy amin’ny samy mpikambana koa ny fikambanam-behivavy araka ny voatendry ao amin’ny fitsipika anatiny.