« Nofaizin’i Jehovah mafy aho, nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana »
Mila famaizana hianao satria zanaka. Aza hadinoina anefa fa ny manafay anao dia Andriamanitra Rainao any an-danitra. Raha tra-pahoriana mavesatra hianao, dia mihevitra izany ho loza, fa ekeo hofamaizana ilainao avy amin’ny tànan’ny Ray be fitiavana. Indraindray dia mety ho mafy ihany ny famaizana avy amin’Andriamanitra. Izay iharan’izany dia mety misento sy manontany hoe : Tompo o, moa efa nasainao va aho ka ho amin’ny fahafatesana ity famaizana ity ?
Kanefa mandrakirava dia hahalala ihany tahaka ity mpanao salamo ity izy hoe : « Nofaizin’i Jehovah mafy aho, nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana. Tsy manolotra anao ho amin’ny fahafatesana ny famaizan’Andriamanitra, fa hahazoanao aina bebe kokoa no amaizany anao. Aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’i Jehovah, ka aza reraka raha resy lahatry ny anatra ataony hianao.