NY FIAVIAN’NY FIFOHAZANA SY NY ASAN’NY MPIANDRY
Asan’Andriamanitra amin’ny alalàn’ny Fanahy Masina, atao hoe
koa famangian’ny Fanahy Masina ny Fifohazana. Misy koa ny miantso azy hoe «fanomezana Pentekosta ». Ny hevi-dehibe misongadina amin’izany dia ny fanatanterahana’Ny Tompo ny teny fikasany izay efa nampilazainy ireo mpaminaniny hatry ny ela, dia araka ny tenin’i Isaia mpaminany manao hoe « hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah » ( Isaia 61:2a) sy Joela mpaminany manao hoe « ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho » (Joe. 3:1a)
Asa sy vokatry ny Fanahy Masina ny Fifohazana, amin’ny alàlan’ny Tenin’Andriamanitra. Koa ny antom-pisiany, araka izay nanendren’Andriamanitra azy, dia tsy misy hafa afa-tsy ny fanambarana sy ny fanatanterahana ny Tenin’Andriamanitra, na izay voalazan’ny Soratra Masina irery ihany, amin’ny alàlan’ny fitorian-teny sy ireo asam-pamantarana momba azy (cf Mar.16:20), ilazàna fa tsy maty na matory na azo atao toy ny anganongano
sanatria ny Tenin’Andriamanitra fa « velona sy mahery » mandrakariva (Heb.12:4), fa « ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona » (Mat.24:35) hoy ny Tompo.
Zava-dehibe marim-pototra ny fanomezan’Andriamanitra ny Fifohazana, koa dia ilaina ny mahafantatra tsara ny hevitr’Andriamanitra nanorenany azy sy izay takian’izany amintsika izay nomena.
Hoy ary ny Tenin’Andriamanitra : « Anontanio izay làlana masaka hatry ny ela…, ka iny no izory » (Jer.6:16)
Ny foto-kevitra dia ny hoe : Izay miorina amin’ny fanorenana nataon’Andriamanitra sy mizotra amin’ny làlana nosoritiny no mahita fahombiazana sy vokatra maharitra eo amin’ny asany ary mahatoetra tsara hatramin’ny farany amin’ny maha-mpiandry azy, satria Ny Tompo no momba azy (cf Jer.17:8/ Jao.15:16). Tandrify izany indrindra ny tenin’Apostoly Paoly manao hoe « koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana,
toy ny efa nampianarana anareo, ka mitombo amin’izany » (Kol.2:6-7), ary koa ny hoe « tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany ; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino
anao » (1 Tim.4:16).
Ilaina ny mamantatra sy mihazona ny fototra nataon’Andriamanitra. Hoy Izy : « tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo. Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka
anareo…. »(Isa.51:1b-2a), dia ny tsy fanadinoana sy ny fandalana ny foto-pihaviana
izany. Fa misy foto-piorenana sy loharano nipoirana ary tantara nolovàna sy mbola ivelomany tokoa ny Fifohazana eto Madagasikara.
Sanatria tsy asa vao iray ranonerika izy, na zavatra tongatonga ho azy, na raharaha vao handrakandramana sy hamboarina, na ezaka fifaninanana, na ezaka fifaninanana, na indrindra vokatry ny fientanan’ny finiavan’olombelona sy ny asa fandrafetana nataony.
Tsy zavatra natao « petatoko » ny Fifohazana, araka ny fomba fiteny ankehitriny, fa efa zato taona mahery izao
ny fisiany (nanomboka tamin’ny taona 1894 tao Soatanàna, faritan’i Fianarantsoa), izany hoe asa matotra sy masaka ary voazaha toetra hatramin’ny ela, ka mendrika ny itokisana sy tokony hiorenana, ary tsy mitsahatra mitohy sy mitombo ary mitatra, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe : « Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa » (Jao.5:17)
Mety misy araka izany, raha ny fizotry ny tantara no arahina, ny nantsoina tamin’ny ora voalohan’ny fiandohan’ny asan’ny fifohazana, mety misy koa ny nofohazina taty aoriana ela, kanefa, ny fototra nanorenan’Andriamanitra dia tsy
miova ary dia izany no miantoka ny fivelarany mandraka androany.
Mazava amin’izany fa tsy asa nataon-tànan’olombelona na sain’olombelona tokoa ny Fifohazana ( cf Asa.17:24/2kor.5:1/ Heb.9:24), fa tena asan’Andriamanitra mivantana, fanomezany sarobidy, mba hahantanteraka ny baiko miendrika teny fikasana nomeny manao hoe : « halalaho ny itoeran’ny lainao,ary aoka hohenjanina ny
ambaindainao, ka aza avela hisy hiketrona ; halavao ny kofehinao. Fa hitatra any amin’ny ankavanana sy any amin’ny ankavia hianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa… » (Isa.54:2-3). [ Tsiahy : ny bokin’i Isaia toko faha-54 manontolo no teny nomen’Ny Tompo an’i Mama Volahavana momba ny fampiorenana ny asany].
Ary dia ho amin’izany asa fanintarana ny ambaindainn’ny fanjakan’Andriamanitra izany no niantsoany sy mbola iantsoany ny mpiandry. Fa nahoana ny mpiandry ? Tsotra ny valiny : ny mpiandry dia tsy inona fa olona
nofohazin’ny Fanahy Masina, nandray ny famonjena sy fanjakan’Andriamanitra (nandray Fifohazana na fanavaozam-panahy koa ny fomba fiteny izany), ary irahiny koa mba hitory sy hizara izany, araka ny Tenin’i Jesosy manao hoe « efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana » (Mat.10:8b).
Ahoana ary ny fomba nananganan’Andriamanitra ny asam-pifohazana teto amin’ny fireneny ?
NY FOTO-PIORENEN’ NY FIFOHAZANA
Fototra efatra lehibe no
naorenan’i Jesosy ny fifohazana sy ny nanaganany ny asan’ny mpiandry raha ny
teto amin’ny firenentsika no zohina :
- Ny tenin’Andriamanitra sy ny fampianarana nomen’i Jesosy tamin’nyalàlan’ireo raiamandrenim-pifohazana ( Dada Rainisoalambo, NenyRavelonjanahary, Mama Volahavana Germaine Nenilava, DadatoaRakotozandry Daniel).
- Ny firaisana amin’ny fiangonana
- Ny firaisan’ny Fifohazana
- Ny fiorenana sy ny firaisana amin’ny Toby, dia ireo antsoina ankehitriny hoe Tobilehibe (Soatanàna, Manolotrony, Ankaramalaza, Farihimena) sy nyfanokanana mpiandry.