II Tantara 29.27

«  Ary raha natomboka ny nanaterana ny fanatitra ho dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an’i Jehovah. » II Tantara 29.27

Tamin’ny fotoam-pivavahana tao amin’ny Israely dia misy fandaharana araka ity voalaza ity. Nefa, na aiza na aiza, no misy ny fanjakan’Andriamanitra dia misy fandaharana tahaka ity ara-panahy amin’ny kristiana tsirairay. Izay olona teraka indray dia tokony hanao hira fiderana, kanefa indrisy fa matetika tsy misy ny hira. Angamba aza mety misy fotoana ela tsy anaovany hira fiderana, izany hoe nampisehoany hafaliana.

Ary misy antony izany, dia izao : misy fanatitra tokony hataony kanefa malaina hanao azy ny olona, ka izany no mampangina ny hira fiderana. Izay velona ho an’ny tenany ihany ka tsy mazoto hanao fanatitra ; dia mety mahay mihira amin’ny vava ihany, nefa tsy amin’ny fo. Kanefa amin’ny andro anateranao ny tenanao, ny sitraponao, ny fahafinaretanao, ny tahotra olona ananao, ny fananao ho fanatitra ho an’Andriamanitra, dia haneno indray avy amin’ny fonao tokoa ny hira fiderana.

Izay velona ho an’Andriamanitra sy mazoto hanolotena ho an’ny namany, dia mahay manao hira fiderana mandrakariva ho an’Andriamanitra.

Laisser un commentaire