« Dia hoy Jehovah, indro misy fitoerana eto anilako, dia hijanona eo ambonin’ny harambato hianao. Koa raha mandeha ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato hianao ka hosaronako ny tanako hianao mandra-pandaloko. » Eksodosy 33. 21-22
Ohatra mazava ilazana ny ifanenan’Andriamanitra masina amin’ny mpanota ity andininy ity. Tsy misy mpanota mahajanona eo anatrehan’ny mason’Andriamanitra. Nefa Jehovah milaza eto hoe : « Indro misy fitoerana eto anilako ao amin’ny harambato, koa raha mandalo ny voninahitrao dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato hianao. »
Ny tenako sy ny fahotako rehetra dia miafina ao amin’ny harambato. Ny harambato dia Kristy ary ny tsefaky ny harambato dia ny feriny sy ny rany.
Jeso vatolampinay o, arovy izahay. Dia mamaly Izy hoe : Hosaronako ny tanako hianao.
Voafina ao amin’ny harambato aho sady voasaron’ny tànany, ka izany no hahasahiako mifanena amin’Andriamanitra Masina.