« Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra ; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria » Daniela 12.3
Voalaza hoe : izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana. Na dia ho anankiray monja aza dia zava-dehibe mahafaly. Tsy maintsy ny fanahy anankiray no himasoanao aloha raha te-hitaona ny maro aoriana. Izany zavatra izany no tsy maintsy hokendrenao isan’ny andro, dia anio koa anie. Aza mangataka andro ka mihevitra fa any aoriana ,any hianao vao hanao fitaomana olona betsaka ka hahazo ny maro.
Miomàna fa mety hisy fotoana hanaovanao anio. Miambena ary aoka hahiratra ny maso hahita ny hotaomina. Angamba tena akaiky anao izay tokony hotaominao anio, kanefa toa tsy mahita azy hianao. Aoka mba ho ao anatin’ny sainao mandrakariva ny hoe : Mety misy olona azo taomina izao.
Aza mihevitra fa misy olona tsy azo taomina intsony. Aza kivy na amin’iza na amin’iza. Tandremo ny fitondrantenanao, sao tonga fisakanana amin’ny fitaomana olona. Esory izay rehetra heverinao ho misakana, toy ny tahotra ny olona sy ny fitiavan-tena ary ny filan-dera.
Asehoy fa tena tia ny Mpamonjinao hianao ka izany no hahatonga anao hazoto hamonjy fanahin’olona. Ary tsarovy fa naman’izay tsy maintsy iasanao izany anio.
Raha manao izany hianao dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay doria.