« Fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa » II korintiana 1.7
Raha fahoriana ihany no azon’ny zanak’Andriamanitra dia ho anjara ratsy mavesatra izany. Ny mpianatr’i Jesosy rehetra dia tsy maintsy ho azom-pahoriana, kanefa fomba maro samy hafa no ahazoany azy. Ao ny alaim-panahy hamoy fo, ao ny mahazo famaizana avy amin’Andriamanitra, ao ny hamavoin’izao tontolo izao. Ao koa ny fijaliana noho ny fiheverana ireo lavitra an’Andriamanitra. Voantso hijaly isika araka ny teny ao amin’ny Asan’ny apostoly 14.22 hoe : « tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra . Andriamanitra anefa tsy mamela antsika hiharam-pahoriana raha tsy vonon-kampionona antsika koa. Raha tsy izany , dia tsy hahay hifaly isika ary hampitanondrika antsika amin’ny tany ny fahakiviana. Tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa »
Mifanindran-dàlana mandrakariva ireo roa ireo. Arakaraka ny haleben’ny fijaliana no haleben’ny fampiononana koa. Amin’ny II korintiana 1.5 dia, voalaza hoe : « Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fampiononana anay kosa amin’ny alàlan’i Kristy. » Noho izany dia aza misalasala na mamoy fo hianao. Efa nanomana fampiononana lehibe ho anao Andriamanitra. Hatony Izy. Miandry anao hampiononiny Izy.