« Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotany izay ao amin’i Kristy Jesosy » Romana 3.24
Ny hevitry ny hoe : hamarinina dia hoe ekena ho marina na dia tsy marina aza. Andriamanitra mandray ny taratasy filazana ahy, ka mandinika azy tsara. Ny hitany ao isam-pejy dia ny fahotako sy ny fitiavan-tenako, ny fahalotoako sy ny faharatsiako, ary tsy misy manala tsiny ahy. Kanefa raha hitany fa mino an’i Jesosy aho, dia hoy Izy amiko hoe : Marina hianao. Noho Kristy dia avela sy hadinoina ny fahotanao, ka dia afaka sy madio hianao.
Zava- mahagaga izany ! Madio aho mpanota mahantra. Zava-dehibe izany ka tsy mendrika ahy. Voalaza in-telo amin’ity andininy ity fa na dia tsy mendrika aza aho, dia hamarinin’Andriamanitra, hamarinina maimaimpoana, hamarinina noho ny fahasoavany ; hamarinina noho ny fanavotana nataon’i Jesosy.
Ry Mpamonjy mahatoky o, averimbereno, hazavao amiko ny amin’ny fahamarinana maimaim-poana, fa sarotra amiko ny mino izany sady mora manadino izany aho. Kanefa teny tena ilaiko ireto hoe : hamarinina noho ny fahasoavana, hamarinina maimaim-poana, hamarinina noho Kristy. Kivy sy sasatra aho raha mijery ny tenako satria hitako fa tsy mendrika hahazo famonjena, kanjo mahazo maimaimpoana ihany.
Ry Tompo o,aza avela hiala amin’ny finoana ny famonjena maimaimpoana aho.