Jaona 1.29

 « Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. »

Manondro an’i Jesosy i Jaona eto hoe : « Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra. » Aza mijery ny manodidina anao hianao fa ho varian-kevitra. Aza mijery ny tenanao hianao fa ho kivy. Aza miondrika amin’ny tany fa ho tia izao tontolo izao. Fa indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ka jereo. Banjino izy ka diniho tsara, ary ny zavatra hafa rehetra ; hadinoy. Jereo Izy dia ho voavonjy hianao. Jereo Izy dia ho faly hianao. Jereo Izy dia hahay hisaotra Azy hianao. Jereo Izy dia tsy maintsy handositra ny fahakiviana sy ny alahelo. Jereo Izy dia hahazo hery vaovao sy fahasahiana hianao. Jereo Izy dia hahay ho tia hianao. Jereo Izy dia hitovy Aminy hianao. Jereo Izy hanamasina anao. Jereo Izy hatramin’izao. Jereo mandrakariva Izy.

Jereo ny Mpanavotra anao. Jereo Izy fa Zanak’ondry novonoina noho ny helokao. Jereo Izy fa Izy no nitondra ny fahotanao. Jereo Izy fa Izy no fitiavana tanteraka. Jereo Izy, izay nijaly nefa tsy nitaraina. Jereo Izy fa tia anao. Jereo ny Zanak’ondry. Araho Izy. Tiavo Izy. Isaory Izy. Aza mitsahatra mijery Azy.

Laisser un commentaire