Filipiana 2.1

« Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiatrana, dia tanteraho ny fifaliako. » Filipiana 2.1

Misy fanontaniana eto, nefa tsy misy valiny. Eritrereto dia hanan-kavaly hianao. Mila fampiononana va hianao ? Tadiavo ao amin’i Kristy izany. Na karazana inona na karazana inona ny alahelonao, na lehibe toy inona, na tsy azo ambara amin’olona aza ; na tena mila hampamoy fo aza, dia ao amin’i Kristy no ahazoana fampiononana.

Ao amin’i Kristy no misy ny fampiononana avy amin’ny fitiavana. Te-hampisehoana fitiavana hianao, te-hampifaliana. Mijaly hianao noho ny analaviran’ny olona anao. Ao amin’i Kristy no misy ny fitiavana sy ny famindram-po ary ny fiaraha-malahelo. Moa tsy izany indrindra no ilainao , dia anankiray izay tsy manameloka anao fa mamela anao kosa, anankiray izay mampiseho famindram-po aminao ka tsy manamavo anao.

Izany anankiray izany dia Jesosy Kristy. Eritrereto dia hahita ny valin’ilay fanontaniana hianao ka ho tanteraka ny fifalianao.

Laisser un commentaire