Salamo 27,5

26 FEBROARY

« Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ny andro fahoriana Izy. Hampiery ahy amin’ny fierena ao an-dainy Izy » Salamo 27,5

Raha tahiny ao ivelan’ny trano isika no misy andro ratsy : ranonorana, tafio-drivotra, kotroka, tselatra dia tsara ny miditra ao an-trano. Rehefa sasatry ny dia ary voan’ny hatsiaka dia miala sasatra ary mamindro ao akaik’ny afo. Mbola mafy ihany ny rivotra ao ivelany, ny ranonorana mipaipaika amin’ny varavarana,ary  saika mila hanozongozona ny trano : kanefa vao maika maha-tamana sy mafana ao an-trano. Misy fifaliana lehibe tsaroantsika, amin’izany, dia noho ny ananantsika trano soa hialofana amin’ny andro ratsy.

« Manafina ahy ao an-trano fialofany amin’ny andro fahoriana Andriamanitra ». Tsy maintsy hisy ny androm-pahoriana. Tsy maintsy hisy ny androm-pahoriana. Tsy azo sorohina izany. Indraindray dia misy famantarana mialoha milaza ny fihaviny ; fa indraindray kosa dia tonga tampoka.

Nefa aza matahotra fa Andriamanitra no fialofanao. Hanafina anao Izy ambara-pahatapitry ny tafio-drivotra. Tsy ho voan’ny hatsikan’izao tontolo izao hianao, ary tsy hampaninona anao ny tafio-drivotry ny fahoriana. Ao amin’ny fiarovan’Andriamanitra dia hatoky hianao ka hiadana. Mialofa Aminy ka aza manahy.

Laisser un commentaire