Matio 9 : 20

« Ary indro nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin’ny folo taona, nankeo ivohony, ka nanendry ny somotraviavin-dambany. »

Nankao ivohon’i Jesosy ity vehivavy ity fa natahotra sao holavin’i Jesosy, angamba natahorany koa ny hifanatri-maso tamin’i Jesosy, sao ho hitany izay rehetra ao am-pony, ka hahatonga Azy tsy hety hanampy azy.

Ny sisin-dambany ihany no sahiny nokasihina, fa ny hikasika ny tenany dia tsy sahiny mihitsy. Kanefa ampy izany. Nahazo fanampiana ilay vehivavy: « Matokia anaka ny finoanao no nahavonjy anao. » hoy Jesosy taminy.

Fomban’i Jesosy izany. Na ny finoana malemy sy matahotra ary misalasala aza dia mety mahazo fanampiana avy amin’i Jesosy. Na dia tsy tanteraka aza ny finoana dia mahazo famonjena tanteraka. Mitodika anao Jesosy. Tsy tiany moa ny hitohizan’ny finoana matahotahotra ao aminao. Miantoraka eo amin’ny sandriny hianao dia handray anao Izy. Dia hifaly sy hisaotra Azy hianao.

Laisser un commentaire