« Miverena ho amin’ny fitsaharanao, ry fanahiko fa Jehovah efa nanisy soa anao ». Salamo 116.7
Miverena ho amin’ny fitsaharanao », hoy ity teny ity. Izany dia mampiseho fa misy nitsaharana taloha saingy simba noho ny toe-draharaha sasantsasany nitranga.
Ry havana : aoka hianao hilaza hoe : Miverena ho amin’ny fitsaharanao, ry fanahiko. Manimba anao ny tsy fiadananao, ka aoka hosoloanao finoana matoky an’Andriamanitra sy fanoloran-tena ho Azy, hiverina ao aminy fa ao no misy fitsaharana, satria efa nanisy soa anao Izy. Izay zavatra efa nanjo anao dia zavatra tsy maintsy nitranga. Ny hahasoa anao no nirangany. Manao izay hahasoa anao mandrakariva Jehovah, ka ekeo ny sitrapony, dia ho sambatra hianao. Mitsahara ka meteza hotarihin’Andriamanitra amin’ny fiainanao. Ary aza manao aminy hoe « Nahoana ? » aoka ho fantatrao fa ny hahasoa anao no ataon ‘i Jehovah mandrakariva.