Lioka 19.7

« Lasa  nandeha hiatrano amin’izay lehilahy mpanota Izy » Lioka 19.7

Tao amin’i zakaiosy no nidiran’i Jesosy tamin’izany, fa anio kosa ho ao aminao.

Tsy tonga mba histidika anao vetivety fotsiny amin’ny fandalovany Izy, fa te-hiatrano ao aminao mihitsy, te-hiara-mipetraka aminao, te-ho ao akaikinao mandrakariva hiaraka ory sy hiara-mifaly aminao.

Marina fa mpanota hianao ; ka tsy mendrika hampiantrano vahiny be voninahitra tahaka Azy. Fanesoana an’i jesosy ihany no nanaovan’ny fahavalony hoe : lasa nandeha hiatrano amin’izay lehilahy mpanota Izy, nefa nanjary marina ihany io teny io. Satria tsy ara-dalàna ny idiran’ny Masina ao amin’ny mpanota. Fahagagana feno fahasoavana tsy takatry ny saina izany. Na dia feno fahotana sy fahosana ary ambany aza hianao, dia te-honina ao aminao Jesosy. Na dia saiky tsy misy olona te-hamangy anao aza, Jesosy kosa te-ho mpiara-monina aminao mandrakariva.

Fiaraha-mipetraka mahafinaritra izany. Ny mpanota sy ny Mpamonjy miara-monina. Miray amin’ny zavatra rehetra. Manolotra ny fahasahiranany rehetra amin’ny Mpamonjy ny mpanota ary ny Mpamonjy manome ny fahasoavany rehetra ho an’ny mpanota.

Avia, Tompo o, ka monena ato ambanin’ny tafotranoko anio. Misaotra Anao aho fa Hianao mety miditra amin’ny tranon’ny mpanota.

Laisser un commentaire