Nahoma 1.7

« Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana ka mahalala izay mialoka aminy » Nahoma 1.7

« Tsara Jehovah »

Amin’izany no anaovako hoe : eny, eny, eny, tsara Jehovah. Matetika dia tsy mahatoky aho, tsy miraika, mangatsiaka. Ao am-poko dia misy zava-dratsy. Fa Jehovah kosa dia tsara. Tsy misy ratsy ao aminy. Tsara mandrakariva. Ary amin’ny andro fahoriana indrindra no tena ahitana ny fahatsarany,ary amin’izany indrindra koa no tena ilako Azy sady ialofako Aminy. Tsy misy moa mahalala ahy tahaka Azy.

Tsy misy mahay manampy ahy tahaka Azy. Raha tsy mahita izay hataoko aho, dia Izy no mahita ka manoro làlana ahy. Raha varian-kevitra aho, dia Izy no mahita ka manoro làlana ahy. Raha malahelo aho ka tsy mahay mionona amin’ny fampiononana ataon’ny olona fa vao maika malahelo aza, dia ny fampiononana ataon’i Jehovah no tena mahafaka ahy.

Mahalala izay mialoka aminy Jehovah. Mahalala ny làlany Izy. Mahita hevitra Izy ka fantany izay zavatra ilainy. Ny fahorin’izay mialoka aminy dia raisin’i Jehovah ho fahoriany, ka mahita mandrakariva izay hanampianay azy Izy.

Marina dia marina tokoa fa tsara Jehovah.

Laisser un commentaire