« Jehovah hanome hery ny olony, Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana. » Salamo 29.11
Manolotra fanomezana roa lehibe anao Andriamanitra anio, dia hery sy fiadanana. Raha mahatsiaro reraka sy sasatra hianao,dia manantona an’Andriamanitra Tomponao. Manome toky Izy fa hanome hery ny olony. Hery hahavitana ny adidy sy ny andraikitra isan’andro, hery hiainana amin’ny andro mahory, hery hitondrana ny enta-mavesatra, hery ho enti-mandresy ny fakam-panahy, hery hanaovana ny marina, hery amin’ny asa mafy na ara-tena na ara-panahy. Jehovah hanome hery ny olony ary ny hery rehetra tadiavinao ho amin’ny fahasarotana rehetra sy ny adidy rehetra ary amin’ny toe-panahinao rehetra.
Ary raha mahazo hery hianao, dia hahazo fiadanana koa. Nahoana no tsy miadana sy manahy hianao : heverinao ve fa efa nanadino ny olony Jehovah ? Avelao ho lasa ny tsi-fiadananao, fa Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana.
Izay mandray ny hery sy fiadanana avy amin’i Jehovah dia handeha handroso amin’ny làlana tery sy sarotra mankany an-danitra amim-pifaliana, amim-pahatokiana, amin-pahasahiana.