Jaona 17. 1

« Nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra Jesosy ka nanao hoe : Ray ô, tonga ny fotoana ; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ny Zanaka Anao. »

Tonga ny fotoana dia ny fotoana lehibe amin’ny fotoana rehetra. Fotoan’ny fijaliana sy ny fietrena. Hoy ny tenin’i Jesosy tamin’ireo fahavalony ireo hoe : « Izao no fotoanareo sy herin’ny maizina. » Fotoan’ny helo tokoa izany. Fotoana fohy kanefa lava ihany tamin’i Jesosy. Nefa azo lazaina fa fotoana masina koa, fotoan’ny fitiavana, fotoan’ny fanatitra, fotoan’ny fanavotana. Hoy i Jesosy hoe : Mankalazà ny Zanaka. Tafio ny herinao Aho hiaretako ny fijaliana ka atolory Ahy hampahoriana sy hokapohina sy hohomboana amin’ny hazo fijaliana ary ho faty.

Izany indrindra no nankalazana an’i Jesosy fa ny fietreny no fisandratany. Ny zavatra nahatsiravina nihatra taminy no nahazoany ny fankalazana ambony indrindra. Amin’izany no ahitantsika ny fanoloran-tena feno fitiavana indrindra. Tsy misy fahatsarana, na zava-dehibe na voninahitra amin’izao tontolo izao tahaka ny fitiavana. Izany no nankalazan’ny Zanaka ny Rainy, fa ny fijalian’i Kristy no ahitantsika ny fitiavan’ny Ray. « Fa toy izao notiavan’Andriamanitra izao tontolo izao. »

Laisser un commentaire