« Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha. » Tenin’i Jesosy tamin’ny Jiosy ity, ary Teniny amintsika koa. Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha, hoy Izy. Andeha isika hitsangana any an-tsaha amin’ny faramparan’ny volana Desambra, na amin’ny Janoary na Febroary fa…
Mois : avril 2020
« Mifalia mandrakariva. Mivavaha ka aza mitsahatra. » Miaraka aseho ato ny vavaka sy ny fifaliana. Samy haharitra ireo zava-droa loha ireo, fa hoe hivavaka mandrakizay sy hifaly mandrakariva. Tsy mahazo misaraka ireo. Tsy misy ny fifaliana raha tsy misy fivavahana. Sasatra…
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. » Tsy misalasala na miahanahana amin’ny heviny Andriamanitra. Tsy mba sanganehana amin’izay tiany hatao Izy. Izy mahita izay…
« …Hevero ny làlanareo. Efa namafy be hianareo, nefa kely no taomina, mihinana hianareo, nefa tsy voky…ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka… Nahoana? hoy Jehovah,… satria efa rava ny tranoko, nefa hianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo…
« Andriamanitry ny fanantenana. » Raha tsy Andriamanitry ny fanantenana Andriamanitra dia tsy Andriamanitra. Tànam-pahasoavan’Andriamanitra atsotrany midina eto amin’ity tany feno ota ka ho levona ity ny fampanantenana avy Aminy. Na misy zavatra heverin’ny olona ho tsy azo atao aza, dia azony…
« Andriamanitry ny fiononana. » Andriamanitra ô, mahafinaritra izany anaranao izany. Tena ilaiko ny Andriamanitry ny fiononana, noho izany dia midodododo manatona Anao aho ankehitriny. Ampionony amin’ny alaheloko aho, noho ny fahotako, noho ny maha-tsinotsinona ahy, noho ny fahariana hafa koa mahazo…
« Andriamanitry ny faharetana. » Mahafinaritra fa manana izany anarana izany Andriamanitra. Eny, zava-tsoa lehibe ny ahalalana fa feno famindram-po Izy. Toetrany tsy misaraka aminy ny maharitra, ka izany no anaovana Azy hoe: Andriamanitry ny faharetana. Fombany ny maharitra. Tsy mety sasatra…
« Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko. » Be ny zava-mampijaly amin’ity tany ity izay tsy fantatry ny hafa afa-tsy izy mijaly ihany. Maro ny ranomaso izay milatsaka ao amin’ny mangingina. Raha hitomany hianao dia mazana mandeha mitokana, ary raha misy olona tonga…
« …mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly. » Mahatsiravina sady lehibe tokoa ny herin’ny fahafatesana. Ny devoly no tompony ka manjaka aminy. Ny fahotana no tehim-panjakany. Ny toetrany sy ny zava-miseho ao aminy dia fijaliana. Ranomaso…
« Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, izay mipetraka any amin’ny avo, nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny ety an-tany? Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy. » Mipetraka any amin’ny avo Andriamanitra dia any ankoatr’iry manga hitan’ny maso iry,…