« Andriamanitry ny fiononana. »
Andriamanitra ô, mahafinaritra izany anaranao izany. Tena ilaiko ny Andriamanitry ny fiononana, noho izany dia midodododo manatona Anao aho ankehitriny.
Ampionony amin’ny alaheloko aho, noho ny fahotako, noho ny maha-tsinotsinona ahy, noho ny fahariana hafa koa mahazo ahy. Tsy mora ny miaina. Osa aho ary resy matetika. Andriamanitry ny fiononana hianao ka ampionony aho. Matetika dia malahelo aho nefa tsy fantatro ny fototr’izany. Ny mazava amiko anefa dia ity: Mila fampiononana aho, ary tiako ho fantatra fa misy Tànana manafosafo ahy. Te-hahatsapa aho fa misy tia ahy. Tena iriko ny handre ao am-poko fa voavela ny : heloko. Manatona Anao hipetraka ao Aminao aho mba hahazo hafanam-po sy hery ary handre ny fitepotepon’ny fon’ny Ray, ka hahazo toky fa tsy irery, satria Hianao tsy manadino ny zanakao, dia hipetraka eo akaikinao aho ary tsy horoahinao na oviana na oviana.
Ry Andriamanitra malala Mpampionona ô, aoka hahazo manandrana ny fampiononanao toy ny taloha aho.