Salamo 56:8

« Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko. »

Be ny zava-mampijaly amin’ity tany ity izay tsy fantatry ny hafa afa-tsy izy mijaly ihany. Maro ny ranomaso izay milatsaka ao amin’ny mangingina.

Raha hitomany hianao dia mazana mandeha mitokana, ary raha misy olona tonga manatona anao amin’izany, dia faohinao faingana ny ranomasonao, satria tsy tianao ho fantatr’olona fa mitomany hianao.

Fa Andriamanitra dia mahita mandrakariva ny fijalianao na dia tsy hitan’olona aza. Voaisany ny ranomasonao, ary ataony ao amin’ny tavoahanginy. Fanoharana koa io ka izao no heviny: Hitany izay rehetra mampalahelo anao ary tsy hadinony. Tsy zavatra kely amin’Andriamanitra ny ranomasonao: Tiany dia tiany ny hanao izay mahasoa anao. Tia anao tokoa Izy, ka ataony ho fijaliany ny fijalianao.

Tsy mijery fotsiny anao mitomany Izy fa te-hamaoka ny ranomasonao. Te-hampionona anao Izy. Matetika ny fitomaniana dia vokatry ny fitiavan-tena, nefa andramo ny manadino ny anton’ny itomanianao, fa Izy no hevero, dia hatoky hianao fa ny alahelonao hody hafaliana, ny sentonao hiova ho fisaorana, ary ny ranomasonao ho soloam-pihobiana.

Laisser un commentaire