Jeremia 29:11

« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. »

Tsy misalasala na miahanahana amin’ny heviny Andriamanitra. Tsy mba sanganehana amin’izay tiany hatao Izy. Izy mahita izay mety hitondrany ny zanany. Raha misy zava-mitranga ary mila ho kivy hamoifo amin’izany hianao ka manontany ny tenanao na ny olon-kafa hoe: Nahoana no avelan’Andriamanitra hiseho na ho tonga ity zavatra ity? Dia izao no lazaina aminao: Mikarakara anao am-pitiavana Izy ary tsy misy diso ny fandaminana itondrany anao.

Indraindray hianao mihevitra hoe: Hisy loza hanjo ahy; ho tonga amiko ny antambo, kanjo amin’izay Andriamanitra dia manome fiadanana ho anao. Amin’ny fotoana inoanao, tsy isalasalanao fa azom-pahoriana hianao no ameloman’Andriamanitra indrindra ny fanantenana ao am-ponao. Hianao misaina fa tsy misy intsony ny zava-tsoa ho anao.

Tsy tian’Andriamanitra ho azon-doza hianao. Ny fitondrany rehetra anao dia fitondrana amim-pitiavana.
Noho izany, ny fitondrany rehetra dia feno fiadanana, satria izay rehetra heverin’Andriamanitra hatao dia marina ka tsy maintsy ho tanteraka.

Laisser un commentaire