« Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha. »
Tenin’i Jesosy tamin’ny Jiosy ity, ary Teniny amintsika koa. Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha, hoy Izy. Andeha isika hitsangana any an-tsaha amin’ny faramparan’ny volana Desambra, na amin’ny Janoary na Febroary fa hahita voninkazo maro karazana: mena, fotsy, manga, vony, maitso, mavokely, etc… Sady tsara tarehy ireo no misy manitra mamerovero aoka izany ery!
Hoy Jesosy hoe: diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha. Tsara endrika mahafinaritra izy. Na dia Solomona teo amin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. Andriamanitra no mampitafy azy. Ny asan-tanan’Olombelona dia kely bitika raha mitaha amin’ny an’Andriamanitra.
Diniho ny voninkazo any an-tsaha, fa midera an’Andriamanitra izy. Voninkazo ihany izy fa tsy miteny, tsy miasa nefa tsy misy mahadera an’Andriamanitra toa azy. Asan’Andriamanitra koa isika, ka aoka hahazoany voninahitra ny fiainantsika.
Diniho ny voninkazo eny an-tsaha fa tsy manahy. Tsy mamafy na mamboly izy, fa miankina fotsiny ihany amin’ny Mpahary azy. Raha ny voninkazo aza karakarain’Andriamanitra toy izany, dia maika fa hianao, ka aza manahy ary.
Diniho ny voninkazo eny an-tsaha, ary tsarovy fa fohy ny andro iainany. Mamony izy amin’ny maraina, amin’ny harivan’io dia maina ka atsipy eo am-patana nony ampitso. Fohy saiky tsy hafa noho izany ny andronao, ka hararaoty hiderana an’Andriamanitra sy hampifaliana izay manodidina anao. Dia ho isan’ny faly hianao, hojinjain’Andriamanitra hiditra ao amin’ny trano fitehirizany.