« Mifalia mandrakariva. Mivavaha ka aza mitsahatra. »
Miaraka aseho ato ny vavaka sy ny fifaliana. Samy haharitra ireo zava-droa loha ireo, fa hoe hivavaka mandrakizay sy hifaly mandrakariva.
Tsy mahazo misaraka ireo. Tsy misy ny fifaliana raha tsy misy fivavahana. Sasatra amin’ny fivavahana ny olona raha tsy faly. Renin’ny fifaliana ny vavaka, ary herin’ny vavaka ny fifaliana. Tahaka ny zanakalahy niantoka sy nampahery ny reniny ny fifaliana; nefa ny fitiavan’ny reny manome faniriana ny zanany hanompo sy hikarakara an-dreniny.
Izay malai-mivavaka dia kely fifaliana. Izay tsy faly dia kely faniriana hivavaka. Izay mivavaka mandrakariva dia tsy tapaka firaisana amin’Andriamanitra. Izay tsy misaraka amin’Andriamanitra dia manana ny fifaliana maharitra ho mandrakizay koa.