Romana 15:5

« Andriamanitry ny faharetana. »

Mahafinaritra fa manana izany anarana izany Andriamanitra. Eny, zava-tsoa lehibe ny ahalalana fa feno famindram-po Izy. Toetrany tsy misaraka aminy ny maharitra, ka izany no anaovana Azy hoe: Andriamanitry ny faharetana. Fombany ny maharitra. Tsy mety sasatra Izy, tsy miovaova Izy fa maharitra. Tsy manary ny voafidiny Izy. Mamela ny helotsika Izy ary mampangoraka Azy ny fahalementsika, ka dia mandefitra amintsika noho izany Izy.

Tsy kely ny faharetam-po ilain’Andriamanitra noho ny maha-Andriamanitry ny olombelona Azy, fa maditra moa ny olombelona. Mila famindram-po avy amin’ny olona manodidina antsika isika, satria feno tsi-fahombiazana, ka raha ny olona aza itadiavantsika izany, mainka amin’Andriamanitra Izay mahafantatra ny ratsy rehetra ataontsika; mazava aminy ny tsi-firehantsika amin’ny fahotantsika mbamin’ny fitiavan-tena manjaka amintsika. Ka raha tsy ny halehiben’ny faharetam-pon’Andriamanitra dia tsy hahatratra ny lanitra isika.

Nefa isaorana anie Andriamanitra fa manana faharetam-po tsy hita lany Izy. henoy izay ilazan’ny Soratra Masina Azy hoe: Andriamanitry ny faharetana Izy ary Andriamanitrao.

Laisser un commentaire