« Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, izay mipetraka any amin’ny avo, nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny ety an-tany? Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy. »
Mipetraka any amin’ny avo Andriamanitra dia any ankoatr’iry manga hitan’ny maso iry, dia any amin’izay tsy azon’ny olona idirana; kanefa tsy lavitra antsika Izy. Mijery ety an-tany Izy. Mipetraka any amin’ny avo Izy, nefa mahita ny ety ambany. Ny olona tsirairay na ao amin’ny takona aza, na ao amin’ny fahoriana mangidy indrindra aza dia mihanjahanja eo anoloan’ny masony.
Miondrika mijery Izy, eny ny ao anatin’ny fon’ny olona aza. Ny faniriana miafina, ny fitaka rehetra, ny lolom-po dia hitan’Andriamanitra.
Mahita ny miafina Izy. Ny faniriana miafina ao am-pon’ny olona, ny fisentoana, ny vavaka mangina eny, ny loza miafina mety hitranga mbamin’ny famonjena hahafaka amin’izany aza dia samy hitan’Andriamanitra.
Izy izay mipetraka any amin’ny avo ary miondrika mijery ny ety an-tany dia hanangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka.