« …mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly. »
Mahatsiravina sady lehibe tokoa ny herin’ny fahafatesana. Ny devoly no tompony ka manjaka aminy.
Ny fahotana no tehim-panjakany. Ny toetrany sy ny zava-miseho ao aminy dia fijaliana.
Ranomaso sy fahafatesana no tambiny. Io fanjakan’ny devoly io dia nidiran’i Kristy tamin’ny nakany ny endriky ny olona ka nanam-pitoviana tamintsika mpanota. Izy izay tsy nanana ota dia natao ho ota mba hanorotoro ny herin’ny fahafatesana dia ny fahotana. Tamin’ny nahafatesany no nandresen’i Jesosy ny herin’ny fahafatesana.
Resin’i Jesosy ny fahafatesana ka dia mahazo miteny hoe isika: Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao. Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao. Noresen’i Jesosy ilay manana ny herin’ny fahafatesana dia ny devoly.
Mivoha ny làlana hialana amin’ny fahafatesana hankanesana amin’ny tany misy ny fiainana. Torotoro ny herin’i satana ka mpandresy Kristy. Ary izay miandany amin’i Kristy, dia ho mpandresy koa, ka ho velona indray na dia maty aza.