« …Hevero ny làlanareo. Efa namafy be hianareo, nefa kely no taomina, mihinana hianareo, nefa tsy voky…ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka… Nahoana? hoy Jehovah,… satria efa rava ny tranoko, nefa hianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy. Ary noho izany dia aminareo no nitsaharan’ny lanitra tsy hampilatsaka ando. »
Hevero ny làlanareo, hoy Jehovah. Amin’izany dia ny fivelomana momba ny nofo no heveriny. Ary izay itenenany eto dia ireo izay tsy ambinina amin’ny fitadiavany fivelomana. Mahazo karama hianareo, hoy Andriamanitra aminy, nefa atao amin’ny kitapo loaka. Mahazo vola, nefa tsy mijanona ela izany, fa lasa faingana miala teo indray. Ary mirindrina aminareo ny varavaran’ny lanitra (tsy milatsaka ny ando).
Hevero ny làlanareo, hoy Jehovah, fa misy antony ny irindrinan’ny varavaran’ny lanitra aminareo, ka mahatonga fahasahiranana be aminareo, dia izao: Rava ny tranoko, nefa hianareo samy mihazakazaka manao ny tranonareo avy. Hadinonareo ny manome an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Izay hahatonga ny fiainantsika hambinina dia miankina amin’ny fahatanterahantsika ny tenin’i Jesosy hoe: Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra.
Manomeza dia hambinina sy ho faly hianareo. Hevero ny làlanareo.