« Ary rehefa nanandrana ny vinaigitra Jesosy, dia nanao hoe: « Vita. » Tanteraka ny vokatry ny fankahalan’ny olombelona. Tapitra ny fijalian’i Jesosy. Vita ny asam-panavotana. Mihobia re, ry fanahiko. Ario ny tahotrao, aza kivy. Fahotana ny fisalasalana rehetra. Zava-mahamenatra ny manahy. Jesosy…