« Andriamanitry ny fanantenana. »
Raha tsy Andriamanitry ny fanantenana Andriamanitra dia tsy Andriamanitra. Tànam-pahasoavan’Andriamanitra atsotrany midina eto amin’ity tany feno ota ka ho levona ity ny fampanantenana avy Aminy.
Na misy zavatra heverin’ny olona ho tsy azo atao aza, dia azony atao ihany raha manana fanantenana izy. Màzana miditra ao amin’ny aizin’ny famoizam-po ny fanantenana. Varavarana mivoha hidiran’ny mpanota ho amin’Andriamanitra izy.
Avy amin’Andriamanitra ny fanantenana marina rehetra. Raha tsy momba antsika Andriamanitra dia tsy azontsika atao ny hanana fanantenana. Tsy azon’ny olona atao ny ho velona, raha tsy azony atao ny manantena. Ny fanantenana tsy avy amin’Andriamanitra dia zava-poana ihany.
Zanaky ny fanantenana ny zanak’Andriamanitra, ka dia manana fanantenana mandrakariva.
Isaorana anie Andriamanitra fa tandrify tokoa ny anarana hoe: Andriamanitry ny fanantenana.