2 Korintiana 11:29

 » Iza no malemy ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina ka tsy mirehitra aho. »

Amin’izany teny izany i Paoly dia milaza ny tenany ho mahatsiaro firaisana amin’ny sakaizany ara-panahy. Raha misy tafintohina amin’ireo dia reny mangirifiry ny fony. Ny fahotan’ny sakaizany dia nampijaly azy. Ny fahalemen’ny olon’ Andriamanitra dia tsaroany ho fahalemeny. Ny fahorian’ireo dia nampahory azy. Nampifaly azy ny nandresen’ireo ny fakam-panahy, eny namelombelona ny fanahiny. Hoy izy hoe: Fa ankehitriny dia velona izahay, raha mitoetra tsara ao amin’ny Tompo hianareo (1 Tes.3,8). Nampihoby azy ny fiangonana mandresy ny ratsy. Hitantsika izany tamin’ny teniny tamin’ny fiangonana tao Tesalonika hoe:  » Hianareo no voninahitray sy fifalianay. » (2 Tes. 2,20)

Nefa indrisy fa nijaly izy raha nijaly ny fiangonana, ka hoy izy: « Iza no tafintohina ka tsy mirehitra aho », Andriamanitra anie hanampy ahy ho iray amin’ny zanany rehetra. Tokony tsy hoheverin’ny kristiana ho zavatra ny zava-madinika mahadiso ny namana, rariny hohadinoiny izany, ary ny mety koa dia ny tsy miresadresaka ny fahadisoan’ny namana. Ny hataony ho azy dia ny mivavaka ho azy, tsy manaratsy azy, manala-tsiny azy, manampy azy, tia azy, miaraka ory aminy, miray aminy.

Laisser un commentaire