« Fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy. » Fiarovana mafy tokoa Andriamanitra ary ao amin’izany fiarovana izany aho. Fefy matevina no manodidina ahy. Izany fefy izany dia ny fitiavan’Andriamanitra. Misy andiam-pahavalo manodidina ny fiarovana. Reko matetika ny tabatabany sy ny fandrahonany….