Matio 9:2

« Voavela ny helokao. »

Mamiko indrindra amin’ny teny rehetra nivoaka avy tamin’ny vavan’i Jesosy ny hoe: Voavela ny helokao.

Faly dia faly tokoa aho, raha mba izaho ilay nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy, ka nojereny tamin’ny maso feno fahasoavana sady nanandratany ny tànany teo ambony loha no mahazo mandre ireto teny ireto hoe: Voavela ny helokao.

Nefa tsy miova mandrakizay ny tenin’i Jesosy, ka dia maharitra mandrak’androany ary ho ahy koa, ka azoko ifaliana raha tsy mamitaka Azy aho.

Oadray ny fahasambarako amin’ny ahalalako fa voavela ny heloko. Tsy misy zavatra mahatsiravina ahy tahaka ny fahotako. Ireo fahavaloko mbamin’ny otako isan’andro dia tena maharikoriko. Tsy misy mamesatra ny saiko sy mandreraka ny fanahiko tahaka azy. Manamaizina ny lanitra amiko izy ary manaisotra ny fifaliana amiko. Raha manameloka ahy ho any amin’ny helo Izy dia tena rariny ny Azy. Tena tandrify ahy izany. Kanefa kosa hoy Izy amiko hoe: Voavela ny helokao. Fifaliana lehibe manao ahoana ho ahy re izay. Fahasambarana tsy misy tahaka azy amiko izany. Azoko ny lanitra.

Laisser un commentaire