» Tamin’ny alàlany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao. » Ny hoe kristiana, dia ny mitoetra amin’ny fahasoavana, na hoe: velona sy miaina ary mihetsiketsika ao anatin’ny fahasoavana. Nefa na dia izany aza dia mety…
Mois : juin 2020
« Fa mba hohavaozina kosa hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo. » Mbola miaina amin’ny toetra taloha ihany ny kristiana maro. Tsy mbola miboiboika avy ao ankibony ny rano velona. Ara-pahazarana fotsiny ny fivavahana ataony. Fomba ihany no amakiany ny Soratra Masina. tsy misy…
« …tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na mandrani-tena foana, fa amin’ny fanetre-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. » Teny ratsy ny hoe fifampiandaniana, ary saiky mihevi-tena ho tsy azon’izany ny olona maro. Kanefa…
» Fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny miezaka hanatratra ny marika aho. » Zavatra iray loha no ataoko. Iray ihany. Ahazoana hery ny ieritreretana mafy ny zavatra tsara…
» Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. » Miseho amin’ny asa ny fitiavana marina. Maro ny teny manambara fitiavana atao an-kafanam-po. Nefa rehefa tonga ny fotoana ilana ny fandavan-tena sy ny…
« Tamin’ny nitombohan’ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra hianao; koa diniho ny teny. » Tamin’ny niantombohan’ny fivavako! Misy zavatra nangatahinao tanatin’ny fotoana lava, nefa tsy nisy valiny. Hoatry ny natao tamin’ny rivotra fotsiny…
« Mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny Izy. » Mahery Andriamanitra. Iza no maharefy ny heriny tsitoha! Ny zavatra rehetra, dia ny zavatra rehetra misy, na hitan’ny masontsika na tsy hitan’ny masontsika dia hazoniny. Ny zava-boahary rehetra dia ao an-Tànany ka…
« …fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. » Ahazoana fampiononana lehibe tokoa ity teny ity. Azo lazaina hoe: Samy manana tanimboly kely ao anatin’ny sahan’ Andriamanitra isika rehetra. Hamboly amin’io sy handena voly ao isika ary hikarakara izay hahavanona izany voly izany….
« Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ity Lehilahy ity dia marina avokoa. Ary maro no nino Azy teo. » Jesosy nilaza fa Jaona Mpanao batisa no lehibe indrindra amin’izay nateraky ny vehivavy. Jaona kosa nilaza ny tenany…
« Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho. Ary mandra-pahafotsivolonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka. » Voalaza eto hoe: Mandra-pahantitrareo. Ity teny fampanantenana nataon’ i…