Zakaria 3:3-4

« Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan’ilay anjely. Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin’izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro efa nesoriko ny helokao ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana hianao. »

Odray. Mahamenatra ny mandre hoe: Ary Josoa (mpisoronabe) nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan’Ilay Anjely. Tokony ho fitafiana madio no hitan’ny olona itafiany raha nitsangana teo akaikin’Andriamanitra izy.

Nefa indrisy fa tsy Josoa irery no mitafy maloto eo anatrehan’Andriamanitra fa isika koa. Ka dia tokony hitanondrika amin’ny tany isika, indrindra rehefa manatona an’Andriamanitra, satria maloto ny fitafiantsika.

Rariny raha mitaky toetra tsara avy amintsika kristiana ny olona. Angamba fantatrao ny pentimpetina miharihary amin’ny fitafianao (amin’ny toetranao).

Nefa lehibe ny fahasoavan’ Andriamanitra, tsy takatry ny saina, ary tena mahagaga ny halehibeny. Fa voalaza hoe: Namaly Jehovah ka nilaza tamin’izay nitsangana teo anoloany hoe: « Esory aminy ny fitafiana maloto. » Aorian’izany dia niteny tamin’i Josoa Izy hoe:  » Indro efa nesoriko ny helokao ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana hianao. »

Ho antsika koa ny hoe: Ny Mpisoronabe lehibe, dia Jesosy, efa nanaisotra ny heloko tamin’ny fanatitra Nataony. Ny fitafianao maloto efa nesoriny. Ny akanjo fihaingoana dia ny fahamarinan’i Jesosy. Amin’izany no ampiakanjoana anao. Ka mahazo mitsangana amim-pahatokiana eo anatrehan’ny Tompo hianao.

Laisser un commentaire