Jeremia 31:2

 » Izao no lazain’i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin’ny sabatra; handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an’ny Israely. »

Tonga hanome fiadanana anao Andriamanitra anio. Ka aza varian-kevitra, aza manahy hianao. Tsy misy antony tsy hanananao fiadanam-po. Hahazo fiadanam-po hianao ka hahita tena fitsaharana. Hianao izay feno fanahiana dia efa nalàna tamin’izany. Afaka amin’ny sabatra hianao, hoy Jehovah; na inona na inona karazan’izany sabatra nitatao teo ambonin’ny lohanao izany, izay niantso famaliana ka nampidi-doza taminao.

Voaisotra izany sabatra izany satria nahita fitia tany an-efitra hianao. Na dia mahatsiaro ny tenanao ho toy ny any an-efitra aza hianao, dia mankasitraka anao ihany Andriamanitra.

Azonao soloana fifaliana ny tahotrao ary fiadanana sy fitsaharana ny tabataban-tsaina, satria mihatra aminao koa ny hoe: Nahita fitia tany an-efitra hianao; handeha Aho hanome fitsaharana ho anao.

Laisser un commentaire