« Ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra fa Izy no miahy anareo. »
Ny fanahianareo rehetra na inona na inona karazany, na fanahiana ara-tena na ara-panahy, na lehibe na kely, na mihatra aminao tenanao na momba ny fianakavianao, na momba ny fivelomana na zavatra natao tamin’ny lasa, na ny hitranga amin’ny ho avy, eny ny momba ny diso nataonao.
Raha misy zavatra mamesatra ny fonao, ka mahatonga anao hanahy, dia apetraho amin’Andriamanitra izany fanahianao izany.
Aza mitahiry ny fanahina ho zavatra tsy azo afoy.
Aza avela hamesatra ny fanahinao fa raha avelanao izy dia hampitanondrika anao amin’ny tany. Esory hiala aminao izy dia ho tahaka ny zavatra tsy mikasika anao, fa mikarakara anao ny Tompo. Tsy miala ao am-pony ny fieritreretana anao. Heveriny ho Azy tenany ny fanahianao. Tiany ny hanaisotra ny fanahianao hiala aminao, ka hanome hery sy fiadanana anao aho ho solony.
Ka aza manahy ary satria Andriamanitra efa nampanantena fa hikarakara anao.