« Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra. »
Mavesa-danja tokoa ny tenin’i Jesosy manao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra. Tamin’ Andriamanitra moa izany ka lehibe noho ny tenin’ny mpanjaka. Manan-kery lavitra noho ny tenin’ny be voninahitra eto an-tany izany, satria tenin’ny Tompon’ny zavatra rehetra.
Hoy Izy hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra. Koa mandehana hianareo. Tsy didy fotsiny izany fa mihoatra noho ny didy. Voafaoka ao anatin’izany didy izany ny fanomezana fandresena. Izy Izay manana fahefana rehetra no mandidy izay tsy manana fahefana, ka mampanantena hoe: Mandehana fa momba anareo Aho. Moa tsy fanomezana fandresena va izany?
Aoka ho tafiditra lalina ao an-tsaina izany tenin’i Jesosy izany, ka ho hainao ny hanatanteraka azy.
Mandehana, mandehana amim-pitiavana hatramin’ny faran’ny tany. Mandehana any amin’ny tany rehetra; mandehana mankany amin’ny olona rehetra, ho amin’izay akaiky anao; mandehana mankao amin’ny fianakavianao.
Mandehana hatramin’ny faran’ny tany. Koa dia aza mangataka andro fa hatramin’ny anio. Mandidy izany Jesosy sady mampanantena antsika hoe: » Indro Izaho momba anareo. » Ary voalazany koa hoe: » Mandrakariva. »
Dia momba antsika mandrakariva Izy anio koa.
Ary aza hadinoina fa Izy Izay momba antsika dia manana ny fahefana rehetra.