« Koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny Alàlany. »
Famonjena tanteraka. Teny mahagaga izany ka toa filazana mihoapampana, nefa voalazan’ny Baiboly ka dia teny marina. Noho izany dia eken’ny finoako.
Ary na manao ahoana na manao ahoana iheveran’ny olona ahy, na toa inona na toa inona tsi-fahombiazako dia vita tanteraka, ny famonjena ahy.
Ny zava-miafina dia izao. Izy no ahazoako manatona an’Andriamanitra, fa tsy noho ny fahamarinako na ny anarako. Tsy manana zava-tsoa omena an’Andriamanitra aho, ka tsy rariny ny hitakiako zavatra aminy. Zavatra mahamenatra ahy ihany no entiko eo anatrehany. Nefa mahazo manatona an’Andriamanitra aho noho Jesosy, noho ny asan’Izy Mpisolo ahy, noho ny Ràny. Ampiakanjoin’Andriamanitra ny fahamarinan’i Jesosy aho, ary voasaron’ny fahamasinany.
Noho Izy anekena ahy ho madio sy masina na dia eo imason’Andriamanitra mahita ny zavatra rehetra aza.
Ka dia mihobia, ry fanahiko, fa voavonjy aho. Izaho izay tsy sahy mangataka na dia zavatra kely dia kely toy ny rano indray mitete aza no mahazo fahasoavana be tokoa hoatry ny ranomasina. Izaho izay toa an’ilay jiolahy feno fanahiana, niara-voahombo taminy ka nangataka hotsarovana fotsiny no mahazo miditra ny Paradisa. Mahazo famelan-keloka tanteraka aho, fahadiovana tanteraka, fahamasinana tanteraka, famonjena tanteraka ao amin’i Kristy.