« Hoy Balama, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony, izay mandre ny tenin’Andriamanitra, sady mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana kanefa voahiratra ny masony. »
Andriamanitra manendry an’i Balama hitso-drano ny Israely ka dia manome hevitra azy aloha.
Hoy ny teny eto: » Ny lehilahy izay voakimpy ny masony, izay mandre ny tenin’Andriamanitra, izay nahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, kanefa mahita izy. » Voakimpy amin’ny zavatr’izao tontolo izao ny amin’ny zavatra manodidina azy ny masony. Ampahiratina anefa izay ka mahita ny tavan’ny Tsitoha.
Ny anton’ny tsy ahitan’ny ankamaroan’ny kristiana ny fahitana avy any an-danitra dia satria tsy mikimpy ny masony fa mijery izao tontolo izao.
Izay olona te-hanadino ny zavatra rehetra manodidina ary ka manakaiky tokoa an’Andriamanitra dia hampahiratina ny masony hahita ny zava-tsaro-bidy maharitra mandrakizay, ka hahery hitso-drano ny olon’Andriamanitra.
Andriamanitra irery no jereo dia hahita ny Tavany hianao.