« Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako ny famindrampo ho anao. »
Ny fiainako rehetra dia feno fahasoavana lehibe mahagaga avy amin’Andriamanitra. Tsy tofoka ahy Izy ary tsy manary ahy. Izaho anefa dia efa sasatra sy kivy noho ny toetrako sy ny asako. Inona no antony mbola itehirizany famindrampo ho ahy?
Izao no fototr’izany. Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, hoy Izy. Maharitra mandrakizay ary tsy voafetra, eny, be dia be tsy hita faritra ny fitiavan’Andriamanitra ahy. Hatramin’ny ela dia hitako fa tia ahy Izy. Talohan’ny nanorenana izao tontolo izao Andriamanitra no efa nilaza tamiko fa tia ahy; ary nampanantena ahy fa ho tia ahy mandrakizay doria. Tahaka ny itiavan’Andriamanitra fatratra ny Zanany Lahitokana no itiavany ahy. Tahaka ny ahavon’ny lanitra ambonin’ny tany, eny tahaka ny tsy ahitana farany ny halalin’ny ranomasina ny fitiavan’ Andriamanitra ahy mpanota mahantra. Noho izany dia efa nitahiry sady nampaharitra famindrampo ho ahy Izy.
Andriamanitra ô! be famindrampo Hianao.