1 Petera 5:5-6

« Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. Koa amin’izany, manetre tena, eo amban’ny tana-maherin’Andriamanitra. »

Voalaza eto fa toherin’Andriamanitra ny miavonavona. Ny manana an’Andriamanitra ho Mpanohitra dia toy ny mandeha voahodidin’ny fefy avo amin’ny lafiny efatra. Raha toherin’Andriamanitra ny olona dia tsy manana izay tena ahazoam-panampiana tanteraka.

Raha voatsapanao fa misy fisakanana ny tianao hatao dia fantatra fa mety ho avy amin’ny fiavonavonanao izany, na satria tsy voafolaky ny sitrapon’Andriamanitra ny sitraponao.

Ka dia misy zavatra anankiray hataonao, dia izao: Manetre tena hianao, fa izay manetry tena no asandratra.

Raha manetry tena hianao, dia hiova ho Mpamonjy anao sy hamoha varavarana hidiranao Izy Izay nanohitra anao sy nisakana ny làlanao. Raha manohitra anao Andriamanitra dia tsy mahavita na inona na inona hianao. Fa raha eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra kosa hianao dia mahavita ny zavatra rehetra.

Aza toherinao ary Andriamanitra fa te-hanisy soa anao tokoa Izy.

Laisser un commentaire